
Fampidirana ny Efesiana
Fizotry ny Tantara
33-34 A.K.
52-57 A.K.
62 A.K.
.png)
Fiovam-pon’i Paoly
Dia misionera fahatelo naton’i Paoly
Nosamborina i Paoly, manoratra ny Efesiana
Mpanoratra, Daty, sy Mpandray
Nanoratra ny taratasy ho an’ny fiangonan’ny Efesosy sy ny faritra manodidina c. A.D. 62, i Paoly tamin’izy nigadra tany Roma (Asan'ny Apostoly 28). Nanoratra ny Kolosiana sy Filemona koa izy, nandritra io fotoana io. Nalefa niaraka tamin’i Tykiko sy Onesimosy ny taratasy telo.
Lohahevitra
Misy lohahevitra 3 lehibe ao amin ny Efesiana:
(1) Nampihavana ny fahariana rehetra taminy sy tamin’Andriamanitra i Kristy;
(2) Nampiray ny olony avy amin’ny firenen-drehetra taminy, i Kristy, sy nampiray azy ireo ao amin’ny fiangonany; ary
(3) tsy maintsy miaina araka ny maha olom-baovao azy ny kristianina.
Zava-kendrena
Manome toro-làlana amin’ny ankapobeny ny amin’y fahamarinan’ny asa-pamonjen’Andriamanitra ao amin’i Kristy; ny firaisan-kinan’ny fiangonana anatin’ny olona samihafa; ny fitondran-tena mety ao am-piangonana, ao an-tokantrano, eo amin’ izao tontolo izao ny Efesiana.
Foto-kevitra
-
Maty ara-panahy avokoa ny olona rehetra. Nandika ny lalàn’Andriamanitra izy ireo ka eo ambany fifehezan’i Satana (1:7; 2:1–3, 5, 11–12).
-
Mandahatra mialoha ny fanavotana ny olony Andriamanitra sy ny fahamasinana ao amin’ny Kristy (1:3–14; 2:4, 8–9).
-
Namonjy ny mpanota ny famindram-pon’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Noho ny fahasoavana avy amin’ny finoana irery ihany izany fanomezana maimaim-poana izany. (1:7–8; 2:4–14).
-
Fanavotana ny fahariana lavo, ho an’Andriamanitra ny asa-pamonjena nataon’i Jesosy. Mendrika ny voninahitra, ny haja, ny fanapahana amin’ity vanim-potoana ity sy ny ho avy Izy (1:15–23; 3:1–13).
-
Mampiray ny Jiosy sy ny jentilisa ao amin’ny vatany, dia ny fiangonana izany, amin’ny maha-olom-baovao azy, i Jesosy (1:23; 2:10–22; 3:1–21; 4:1–6).
-
Voavonjy ho amin’ny fiainam-baovao anatin’ny fahamasinana amin’ny fisainana, fiteny, sy fanao ny olon’i Kristy. Mila manilika ny fomba fiainana anatin’ny fahotana taloha izy ireo. (4:1–3, 17–32; 5:1–20).
-
Anisan’ny fahamasinana ny fankatoavana tsara ny fahefana ao an-tokantrano, ankohonana, eo amin’ny fiainana, ary mila mikarakara ireo mankato azy ireo manam-pahefana. (5:21–6:9).
-
VIII.Nanome fanomeza-pahasoavana mahery vaika ny fiangonany, i Jesosy. Mitondra firaisan-kina, fahamatorana, ary fiarovana amin’ny devoly sy ny forongony izany 4:7–16; 6:10–19).
Drafitra
-
Fampidirana (1:1–14)
-
Vavaka fisaorana nataon’i Paoly(1:15–23)
-
Fahasoavana no amonjena amin’ny alalan’ny finoana (2:1–10)
-
Firaisan-kina sy ny fiadanan’i Kristy (2:11–22)
-
Fanambarana ny zava-miafin’ny Filazantsara (3:1–13)
-
Vavak’i Paoly mba hahery sy hahiran-tsaina (3:14–21)
-
Firaisan’ny vatan’i Kristy (4:1–16)
-
VIII.Fijoroana vavolombelona nataon’i Paoly (4:17–24)
-
Famporisihana hiaina fiainam-pahamasinana (4:25–32)
-
Fiainam-baovao am-pitiavana (5:1–20)
-
Fankatoavana eo amin’ny tsirairay (5:21–6:9)
-
Ny fiadian’Andriamanitra (6:10–20)
-
XIII.Famaranana (6:21–24)
Faritra manodidina ny Efesiana
c. A.D. 62
Tanan-dehibe mpanan-karena, manamorona seranan-tsambo, amin’ny faritra Romana, any Azia i Efesosy. Ivon-toeran’ny fanabeazana izany; eo akaikin’ny làlan-dehibe maromaro. Angamba nanoratra ny taratasiny ho an’ny Efesiana i Paoly tamin’izy niharan’ny tsy fahafahana mivoaka ny trano tany Roma (Asa 28).
