Ahoana ny fomba hananako
firehetam-po ho an’i Jesosy?
Mifanaraka tsara amin’ny didin’Andriamanitra lehibe indrindra, hita ao amin’ny Deoteronomia 6:4-5, ity fanontaniana ity, dia ny ho tia an’Andriamanitsika amin’ny fontsika manontolo. Ireto misy tari-dàlana vitsivitsy avy amin'ny Soratra Masina amin'ny fomba hanatanterahana izany:
1) Mazava ho azy fa tsy afaka hitia olona tsy fantantsika isika. Fantaro Andriamanitra sy ny zavatra nataony ho anao. Alohan’ny didy hoe "tiavo Andriamanitra" ao amin’ny Deoteronomia 6:5 , dia izao no voalaza : “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” Ny lafiny iray amin’io fanambarana io dia milaza fa tokana Izy, ary, arakaraka ny ahafantarantsika tsara ny fahiziany, no mahamora ny hitiavantsika Azy amin'ny fotsika manontolo. Anatin'izany koa ny fahalalana izay nataony ho antsika. Averina indray, alohan’ny nanomezana ny didy voalohany ao amin’ny Eksodosy 20:3, Andriamanitra dia manambara ny zavatra nataony ho an’ny Isiraely tamin’ny famoahana azy ireo hiala amin'ny fanandevozana tany Egypta. Toy izany koa, ao amin’ny Romana 12:1-2, mialoha ny didy hanolotra ny fianantsika ho fanatitra velona, ny teny hoe "noho izany" — teny natao hampahatsiahivana antsika ny famindrampon’Andriamanitra amintsika, izay voarakitra ao amin’ny toko teo aloha.
Mila mahafantatra an'Andriamanitra ny olona iray mba hitomboana amin'ny fitiavana Azy. Nampahafantatra ny tenany teo amin’ny zavaboary Izy, tamin’ny alalan’ny teniny (Romana 1), ary mihoatra lavitra noho izany. Mila ataotsika fahazarana ny fianarana Baiboly isan’andro—Tahaka ny misakafo isan’andro. Tokony hotadidintsika fa tsy mitovy amin’ny boky rehetra ny Baiboly; tena taratasim-pitiavan’Andriamanitra ho antsika tokoa izany, maneho ny fitiavany antsika nandritra ny taonjato maro, indrindra tamin’ny alalan’ny asa fanompoan’i Jesosy Kristy Zanany. Tsy maintsy mamaky ny Baiboly toy ny taratasy avy Aminy isika, mangataka ny Fanahiny Masina hilaza ao am-pontsika izay tiany ianarantsika isan'andro. Tena ilaina koa ny mitadidy andinin-tsoratra masina, sy ny fieritreretana fomba hampiharana izay ianarantsika (Josoa 1:8 ).
2) Araho ny ohatr’i Jesosy amin’ny fivavahana mandrakariva. Rehefa mandinika ny fiainan’i Jesosy sy ny fiainan’i Daniela ary ny olon-kafa izay nafana fo ho an’Andriamanitra isika, dia hitantsika fa zavatra tena ilaina teo amin’ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra ny vavaka (na dia ny famakiana haingana ny filazantsara sy ny Bokin’i Daniela aza dia manambara izany). Tena ilaina ny vavaka— ny mifampiresaka malalaka sy amim-pahatsorana amin’Andriamanitra— toy ny fianarana Baiboly. Tsy azo eritreretina akory hoe misy lehilahy sy vehivavy mifankatia nefa tsy mifampiresaka, koa tsy azo atao tsinontsinona ny vavaka raha tsy tiana hangatsiaka ny fitiavan’ny olona iray an’Andriamanitra. Ny vavaka dia anisan’ny fitaovam-piadiana lehibe indrindra amin’ny fahavalontsika (Efesianina 6:18). Mety hanana faniriana hitia an’Andriamanitra isika, nefa tsy hahomby raha tsy mivavaka (Matio 26:41 ).
3) ANKEHITRINY miaraha Aminy. Nisafidy ny hankatò an’Andriamanitra i Daniela sy ireo namany telo lahy ary tsy nanaiky nilefitra na tamin'ny ny sakafo nohaniny aza (Daniela 1). Nilefitra ireo babo hafa nentina avy tany Joda nankany Babylona niaraka taminy, ary tsy nasiana resaka intsony ny momba azy ireo. Rehefa voahozongozona mafy ny fandresen-dahatr'ireo Jiosy babo an’ady, dia vitsy tamin'izy ireo ihany no nijoro ho an’Andriamanitra ( Daniela 3 sy 6 ). Mila miara-mandeha Amin'Andriamanitra isika izao sy manomboka mankatò Azy, amin’ny fitsapana faran’izay kely indrindra mba hahafahantsika hitia Azy any aoriana any ! Nianatra izany tamin’ny fomba sarotra i Petera tamin’ny fanarahana an’Andriamanitra “teny lavitra eny”, fa tsy nanakaiky kokoa an’i Kristy talohan’ny fakam-panahy handà Azy ( Lioka 22:54 ). Andriamanitra dia milaza fa izay misy ny haren’ny olona, dia ho any koa ny fony. Rehefa manolotra ny fiainantsika ho an’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanompoana Azy izay hiafara amin’ny fanenjehana, dia hitombo hatrany ny harentsika ao aminy, ary ho Azy koa ny fontsika ( 1 Timoty 3:12; Matio 6:21.
4) Esory ny fifaninanana. Nilaza i Jesosy fa tsy misy afaka manompo tompo roa (Matio 6:24). Alaim-panahy ho tia an’izao tontolo izao isika (dia ireo zavatra mampifaly ny masontsika sy mampifaly ny tenantsika ary manome fahafaham-po ny fanirian’ny nofontsika) (1 Jaona 2:15-17 ). Nilaza i Jakoba fa fandrafiana (fankahalana) an’Andriamanitra sy fijangajangana ara-panahy ny fanarahana izao tontolo izao sy ny fisakaizana aminy (Jakoba 4:4). Mila manaisotra ireo zavatra ireo eo amin’ny fiainantsika isika (namana izay hitarika antsika amin’ny lalan-diso, zavatra mandany ny fotoanantsika sy ny herintsika ary manakana antsika tsy hanompo an’Andriamanitra tsara, fikatsahana laza, fikatsahana fananana, ary fikatsahana zavatra hafa. fahafaham-po ara-batana sy ara-pihetseham-po. Mampanantena Andriamanitra fa raha mitady Azy isika, dia tsy hanome izay ilaintsika fotsiny Izy (Matio 6:33), fa hanome antsika izay irintsika koa (Salamo 37:4-5).
5) Manomboha manao izay nanampy anao hitombo amin’ny fitiavana an’Andriamanitra tamin’ny voalohany, raha sendra mania. Zavatra fahita matetika ny fifandimbiasan’ny mety sy ny tsy mety amin'ny fifandraisana. Solafaka tamin’ny azy i Petera (Lioka 22:54), ary solafaka tamin’ny azy i Davida (2 Samoela 11), nefa niarina izy ireo ka nanaraka an’Andriamanitra indray. I Jaona dia milaza ao amin’ny Apokalypsy 2:4 , fa tsy hoe “manary” ny fitiavana voalohany fa “mandao” ny fitiavana voalohany. Ny fanafodiny dia ny fanaovana ny “asa voalohany”, ireo zavatra izay nahatonga ny olona iray hitombo tamin’ny fitiavana an’Andriamanitra tany am-boalohany. Anatin'ny zavatra voalaza eto ambony. Ny dingana voalohany amin’izany dia ny fiaiken-keloka sy ny fandraisana ny famelan-keloka ary ny fiombonana indray, izay vokatry ny fiaiken-keloka (1 Jaona 1:9). Tsy isalasalana fa hitahy ny fikatsahana hitia Azy Andriamanitra ary hanome voninahitra ny anarany amin’ny alalan’izany.